# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ny mpanoratra dia manohy miresaka izay zavatra nataon'Andriamanitra an'ireo razamben'ny vaohakan'Isiraely. # Inona ihany koa no afaka lazaiko? Mampiasa fanontaniana ny mpanoratra mba hanamafisana fa misy ohatra maro izay afaka nolazainy. Afaka adika ho fanambarana ity. DH: "Ary misy ohatra maro dia maro." # ho lany ny fotoako "tsy hanana fotoana firy aho" # Baraka Izany dia anaran-dehilahy iray. # Tamin'ny alalan'ny finoana no nahazoan'izy ireo Eto ny "izy ireo" dia tsy midika fa nanao ireo zavatra izay ho lazain'ny mpanoratra ny olona tsiraray voatanisa tao amin'ny 11:32. Ny mpanoratra dia milaza amin'ny ankapobeny fa ireo dia karazan-javatra izay afaka ataon'ireo manam-pinoana. DH: "tamin'ny alalan'ny finoana no nahazoan'ny olona tahaka izany" # nahazoan'izy ireo ny fanjakana Eto ny "fanjakana" dia maneho ny olona izay niaina tao. DH: "izy ireo dia nandresy ny olon'ireo fanjakana vahiny" # Nanakombona ny vavan'ireo liona izy ireo, namono ny herin'ny afo, nandositra ny lelan'ny sabatra, Ireo dia fomba sasany namonjen'Andriamanitra ireo mpino tamin'ny fahafatesana. DH: "tsy azy ireo ny liona, tsy nanodro azy ireo ny afo, tsy namono azy ireo ny fahavalony" # sitrana tamin'ireo aretina DH: "nandray fanasitranana avy tamin' Andriamanitra"