plt_tn/heb/11/32.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ny mpanoratra dia manohy miresaka izay zavatra nataon'Andriamanitra an'ireo razamben'ny vaohakan'Isiraely.
# Inona ihany koa no afaka lazaiko?
Mampiasa fanontaniana ny mpanoratra mba hanamafisana fa misy ohatra maro izay afaka nolazainy. Afaka adika ho fanambarana ity. DH: "Ary misy ohatra maro dia maro."
# ho lany ny fotoako
"tsy hanana fotoana firy aho"
# Baraka
Izany dia anaran-dehilahy iray.
# Tamin'ny alalan'ny finoana no nahazoan'izy ireo
Eto ny "izy ireo" dia tsy midika fa nanao ireo zavatra izay ho lazain'ny mpanoratra ny olona tsiraray voatanisa tao amin'ny 11:32. Ny mpanoratra dia milaza amin'ny ankapobeny fa ireo dia karazan-javatra izay afaka ataon'ireo manam-pinoana. DH: "tamin'ny alalan'ny finoana no nahazoan'ny olona tahaka izany"
# nahazoan'izy ireo ny fanjakana
Eto ny "fanjakana" dia maneho ny olona izay niaina tao. DH: "izy ireo dia nandresy ny olon'ireo fanjakana vahiny"
# Nanakombona ny vavan'ireo liona izy ireo, namono ny herin'ny afo, nandositra ny lelan'ny sabatra,
Ireo dia fomba sasany namonjen'Andriamanitra ireo mpino tamin'ny fahafatesana. DH: "tsy azy ireo ny liona, tsy nanodro azy ireo ny afo, tsy namono azy ireo ny fahavalony"
# sitrana tamin'ireo aretina
DH: "nandray fanasitranana avy tamin' Andriamanitra"