plt_tn/heb/10/26.md

959 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny mpanoratra dia manome ny fampitandremany faha-efatra.

minia

"fanahy iniana"

rehefa avy nandray ny fahalalana ny marina

Ny fahalalana ny marina dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka omen'ny olona iray ho an'ny olona hafa. DH: "Rehefa avy nianatra ny marina isika"

ny marina

ny marina momban'Andriamanitra.

dia tsy misy fanatitra ho an'ny ota intsony

Tsy misy olona afaka manome sorona vaovao satria ny soron'i Kristy irery ihany no afaka miasa. DH: "tsy misy afaka manolotra sorona mba hamelan'Andriamanitra ny otantsika"

fanatitra ho an'ny ota

Eto ny "fanatitra ho an'ny ota" dia maneho "fomba mahomby mba hanaovana sorona biby mba hanala ireo fahotana"

ny fitsarana

ny fitsaran'Andriamanitra, izany hoe, hitsara Andriamanitra.

ary fahatezerana mirehitra izay hamotika ireo fahavalon'Andriamanitra

Ny fahatezeran'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe afo izay handoro ireo fahavalony.