plt_tn/heb/03/01.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity fampitandremana faharoa ity dia lava sy manazava tsara kokoa ary manpiditra ny toko faha 3 sy faha 4. Ny mpanoratra dia manomboka amin'ny fanehoana fa Kristy dia tsara kokoa noho ny mpanompony Mosesy.

ry rahalahy masina

Eto ny teny hoe "rahalahy" dia maneho ireo namana Kristiana, na lahy na vavy. DH: "ry rahalahy sy anabavy masina" na "ry namako mpino masina"

nizara ny antson'ny lanitra ianareo

Eto ny teny hoe "lanitra" dia maneho an'Andriamanitra. DH: "Andriamanitra niantso antsika miaraka"

apostoly

Eto izany teny izany dia midika olona izay nirahina. Eto amin'ity andininy ity, dia tsy maneho na dia iray amin'ireo apostoly roa ambin'ny folo aza izany. DH: "ilay iray izay nirahina"

izay ekentsika

DH: "izay inoantsika"

tao an-tranon'Andriamanitra

Ny olona Hebreo izay nanehon'Andriamanitra ny tenany dia resahina toy ny hoe ao an-trano ara-bakiteny izy ireo. DH: "ho an'ireo olon' Andriamanitra rehetra"

Jesosy dia efa noraisina

DH: "Andriamanitra dia nandray an'i Jesosy"

ny iray izay nanorina ny zavatra rehetra

Ny asan'Andriamanitra tamin'ny famoronana izao tontolo izao dia resahina toy ny hoe nanamboatra trano Izy.

Fa ny trano rehetra dia nisy olona nanorina

DH: "ny trano rehetra dia nanana olona nanamboatra izany"