# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity fampitandremana faharoa ity dia lava sy manazava tsara kokoa ary manpiditra ny toko faha 3 sy faha 4. Ny mpanoratra dia manomboka amin'ny fanehoana fa Kristy dia tsara kokoa noho ny mpanompony Mosesy. # ry rahalahy masina Eto ny teny hoe "rahalahy" dia maneho ireo namana Kristiana, na lahy na vavy. DH: "ry rahalahy sy anabavy masina" na "ry namako mpino masina" # nizara ny antson'ny lanitra ianareo Eto ny teny hoe "lanitra" dia maneho an'Andriamanitra. DH: "Andriamanitra niantso antsika miaraka" # apostoly Eto izany teny izany dia midika olona izay nirahina. Eto amin'ity andininy ity, dia tsy maneho na dia iray amin'ireo apostoly roa ambin'ny folo aza izany. DH: "ilay iray izay nirahina" # izay ekentsika DH: "izay inoantsika" # tao an-tranon'Andriamanitra Ny olona Hebreo izay nanehon'Andriamanitra ny tenany dia resahina toy ny hoe ao an-trano ara-bakiteny izy ireo. DH: "ho an'ireo olon' Andriamanitra rehetra" # Jesosy dia efa noraisina DH: "Andriamanitra dia nandray an'i Jesosy" # ny iray izay nanorina ny zavatra rehetra Ny asan'Andriamanitra tamin'ny famoronana izao tontolo izao dia resahina toy ny hoe nanamboatra trano Izy. # Fa ny trano rehetra dia nisy olona nanorina DH: "ny trano rehetra dia nanana olona nanamboatra izany"