plt_tn/heb/01/08.md

24 lines
978 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity tenin'ny Soratra Masina ity dia avy ao amin'ny Salamo.
# Fa momban'ny Zanaka dia hoy Izy hoe
"Fa Andriamanitra miteny izao momban'ny Zanaka"
# Zanaka
Izany dia fiantsoana lehibe an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra.
# Ny seza fiandriananao, ry Andriamanitra, dia mandrakizay ary ho doria
Ny seza fiandrianan'ny Zanaka dia maneho ny fitsipiny. DH: "Ianao dia Andriamanitra, ary ny fanjakanao dia haharitra mandrakizay ary ho doria"
# Ny tehin'ny fanjakanao dia tehin'ny fitsarana
Eto ny teny hoe "tehina" dia maneho ny fitsipiky ny Zanaka. DH: "Ary hanapaka amin'ny olona eo amin'ny fanjakanao miaraka amin'ny rariny Ianao"
# nanosotra anao tamin'ny menaky ny hafaliana mihoatra noho ireo mpiara-dia aminao."
Eto ny teny hoe "menaky ny hafaliana" dia maneho ny hafaliana izay tsapan'i Zanaka rehefa manome voninahitra Azy Andriamanitra. DH: "nanome voninahitra anao ary nanome hafaliana anao mihoatra noho ny olona rehetra"