plt_tn/heb/01/08.md

978 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity tenin'ny Soratra Masina ity dia avy ao amin'ny Salamo.

Fa momban'ny Zanaka dia hoy Izy hoe

"Fa Andriamanitra miteny izao momban'ny Zanaka"

Zanaka

Izany dia fiantsoana lehibe an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra.

Ny seza fiandriananao, ry Andriamanitra, dia mandrakizay ary ho doria

Ny seza fiandrianan'ny Zanaka dia maneho ny fitsipiny. DH: "Ianao dia Andriamanitra, ary ny fanjakanao dia haharitra mandrakizay ary ho doria"

Ny tehin'ny fanjakanao dia tehin'ny fitsarana

Eto ny teny hoe "tehina" dia maneho ny fitsipiky ny Zanaka. DH: "Ary hanapaka amin'ny olona eo amin'ny fanjakanao miaraka amin'ny rariny Ianao"

nanosotra anao tamin'ny menaky ny hafaliana mihoatra noho ireo mpiara-dia aminao."

Eto ny teny hoe "menaky ny hafaliana" dia maneho ny hafaliana izay tsapan'i Zanaka rehefa manome voninahitra Azy Andriamanitra. DH: "nanome voninahitra anao ary nanome hafaliana anao mihoatra noho ny olona rehetra"