forked from WA-Catalog/plt_tn
48 lines
2.4 KiB
Markdown
48 lines
2.4 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
|
|
|
Ity sasin-teny ity dia mametraka ny fototra ho an'ny boky rehetra: tsy manan-tsahala ny halehiben'ny Zanaka lahy--Ilay Zanaka lahy dia lehibe noho ny rehetra. Ny boky dia manomboka amin'ny fanamafisana fa ny Zanaka lahy dia tsara kokoa noho ireo mpaminany sy ireo anjely.
|
|
|
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Na dia tsy noresahina tamin'ny fanokafana aza, ity taratasy dia nosoratana ho an'ireo Hebreo (Jiosy) manokana, izay te-hahafantatra ireo andininy maro ao amin'ny Testamenta Taloha.
|
|
|
|
# amin'izao andro farany izao
|
|
|
|
'amin'izao andro farany izao." Ity fehezanteny ity dia milaza ny fotoana izay nanombohan'i Jesosy ny asa fanompoany, natomboka mandrapa-hametrahan'Andriamanitra ny fitsipiny feno eo amin'ny zavaboariny.
|
|
|
|
# tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy
|
|
|
|
Ny hoe "Zanaka lahy" dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay Zanaka lahin' Andriamanitra.
|
|
|
|
# ho mpandova ny zavatra rehetra
|
|
|
|
Ny mpanoratra dia miresaka ny Zanaka lahy toy hoe handova harena sy fananana avy amin'ny Rainy Izy. DH: "mba hanana ny zava-drehetra"
|
|
|
|
# Tamin'ny alalany ihany koa no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao
|
|
|
|
"tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy no nanaovan'Andriamanitra ny zava-drehetra"
|
|
|
|
# famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra
|
|
|
|
"fahazavan'ny voninahiny." Ny voninahitr' Andriamanitra dia mifandray amin'ny hazavana tena mamirapiratra. Milaza ny mpanoratra fa ilay Zanaka lahy dia maneho izany fahazavana izany ary maneho tanteraka ny voninahitr' Andriamanitra.
|
|
|
|
# ilay endriky ny tenany indrindra
|
|
|
|
"Ny endriky ny maha Andriamanitra." Izany dia mitovitovy dika-teny amin'ny hoe "famirapiratan' ny voninahiny." Ny Zanaka dia mampiseho ny toetra sy ny maha izy Azy an'Andrimanitra ary maneho tanteraka ny zava-drehetra izay an'Andriamanitra. Afaka lazaina ho toy ny fehezanteny vaovao izany. DH: "Ny zanaka dia tahaka an'Andriamanitra ihany" na "Izay marina momban'Andriamanitra dia marina momban'ny Zanaka"
|
|
|
|
# herin'ny teniny
|
|
|
|
"ny teniny mahery." Eto ny "teny" dia maneho ny hafatra na didy. DH: "ny didiny mahery"
|
|
|
|
# Taorian'ny nanadiovany ireo fahotana
|
|
|
|
DH: "Taorian'ny nahavitany nanadio antsika tamin'ireo fahotana"
|
|
|
|
# nipetraka teo ambanin'ny tanan'ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo izy.
|
|
|
|
Eto ny teny hoe "tanana ankavanana" dia maneho ny toeram-boninahitra. DH: "nipetraka teo amin'ny toeram-boninahitra teo akaikin'ny Lehibe any amin'ny avo"
|
|
|
|
# ny Lehibe any amin'ny avo
|
|
|
|
Eto ny teny "Lehibe" dia maneho an'Andriamanitra". DH: "Andriamanitra Avo Indrindra"
|