plt_tn/heb/01/01.md

2.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity sasin-teny ity dia mametraka ny fototra ho an'ny boky rehetra: tsy manan-tsahala ny halehiben'ny Zanaka lahy--Ilay Zanaka lahy dia lehibe noho ny rehetra. Ny boky dia manomboka amin'ny fanamafisana fa ny Zanaka lahy dia tsara kokoa noho ireo mpaminany sy ireo anjely.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Na dia tsy noresahina tamin'ny fanokafana aza, ity taratasy dia nosoratana ho an'ireo Hebreo (Jiosy) manokana, izay te-hahafantatra ireo andininy maro ao amin'ny Testamenta Taloha.

amin'izao andro farany izao

'amin'izao andro farany izao." Ity fehezanteny ity dia milaza ny fotoana izay nanombohan'i Jesosy ny asa fanompoany, natomboka mandrapa-hametrahan'Andriamanitra ny fitsipiny feno eo amin'ny zavaboariny.

tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy

Ny hoe "Zanaka lahy" dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay Zanaka lahin' Andriamanitra.

ho mpandova ny zavatra rehetra

Ny mpanoratra dia miresaka ny Zanaka lahy toy hoe handova harena sy fananana avy amin'ny Rainy Izy. DH: "mba hanana ny zava-drehetra"

Tamin'ny alalany ihany koa no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao

"tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy no nanaovan'Andriamanitra ny zava-drehetra"

famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra

"fahazavan'ny voninahiny." Ny voninahitr' Andriamanitra dia mifandray amin'ny hazavana tena mamirapiratra. Milaza ny mpanoratra fa ilay Zanaka lahy dia maneho izany fahazavana izany ary maneho tanteraka ny voninahitr' Andriamanitra.

ilay endriky ny tenany indrindra

"Ny endriky ny maha Andriamanitra." Izany dia mitovitovy dika-teny amin'ny hoe "famirapiratan' ny voninahiny." Ny Zanaka dia mampiseho ny toetra sy ny maha izy Azy an'Andrimanitra ary maneho tanteraka ny zava-drehetra izay an'Andriamanitra. Afaka lazaina ho toy ny fehezanteny vaovao izany. DH: "Ny zanaka dia tahaka an'Andriamanitra ihany" na "Izay marina momban'Andriamanitra dia marina momban'ny Zanaka"

herin'ny teniny

"ny teniny mahery." Eto ny "teny" dia maneho ny hafatra na didy. DH: "ny didiny mahery"

Taorian'ny nanadiovany ireo fahotana

DH: "Taorian'ny nahavitany nanadio antsika tamin'ireo fahotana"

nipetraka teo ambanin'ny tanan'ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo izy.

Eto ny teny hoe "tanana ankavanana" dia maneho ny toeram-boninahitra. DH: "nipetraka teo amin'ny toeram-boninahitra teo akaikin'ny Lehibe any amin'ny avo"

ny Lehibe any amin'ny avo

Eto ny teny "Lehibe" dia maneho an'Andriamanitra". DH: "Andriamanitra Avo Indrindra"