# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity sasin-teny ity dia mametraka ny fototra ho an'ny boky rehetra: tsy manan-tsahala ny halehiben'ny Zanaka lahy--Ilay Zanaka lahy dia lehibe noho ny rehetra. Ny boky dia manomboka amin'ny fanamafisana fa ny Zanaka lahy dia tsara kokoa noho ireo mpaminany sy ireo anjely. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Na dia tsy noresahina tamin'ny fanokafana aza, ity taratasy dia nosoratana ho an'ireo Hebreo (Jiosy) manokana, izay te-hahafantatra ireo andininy maro ao amin'ny Testamenta Taloha. # amin'izao andro farany izao 'amin'izao andro farany izao." Ity fehezanteny ity dia milaza ny fotoana izay nanombohan'i Jesosy ny asa fanompoany, natomboka mandrapa-hametrahan'Andriamanitra ny fitsipiny feno eo amin'ny zavaboariny. # tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy Ny hoe "Zanaka lahy" dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay Zanaka lahin' Andriamanitra. # ho mpandova ny zavatra rehetra Ny mpanoratra dia miresaka ny Zanaka lahy toy hoe handova harena sy fananana avy amin'ny Rainy Izy. DH: "mba hanana ny zava-drehetra" # Tamin'ny alalany ihany koa no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao "tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy no nanaovan'Andriamanitra ny zava-drehetra" # famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra "fahazavan'ny voninahiny." Ny voninahitr' Andriamanitra dia mifandray amin'ny hazavana tena mamirapiratra. Milaza ny mpanoratra fa ilay Zanaka lahy dia maneho izany fahazavana izany ary maneho tanteraka ny voninahitr' Andriamanitra. # ilay endriky ny tenany indrindra "Ny endriky ny maha Andriamanitra." Izany dia mitovitovy dika-teny amin'ny hoe "famirapiratan' ny voninahiny." Ny Zanaka dia mampiseho ny toetra sy ny maha izy Azy an'Andrimanitra ary maneho tanteraka ny zava-drehetra izay an'Andriamanitra. Afaka lazaina ho toy ny fehezanteny vaovao izany. DH: "Ny zanaka dia tahaka an'Andriamanitra ihany" na "Izay marina momban'Andriamanitra dia marina momban'ny Zanaka" # herin'ny teniny "ny teniny mahery." Eto ny "teny" dia maneho ny hafatra na didy. DH: "ny didiny mahery" # Taorian'ny nanadiovany ireo fahotana DH: "Taorian'ny nahavitany nanadio antsika tamin'ireo fahotana" # nipetraka teo ambanin'ny tanan'ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo izy. Eto ny teny hoe "tanana ankavanana" dia maneho ny toeram-boninahitra. DH: "nipetraka teo amin'ny toeram-boninahitra teo akaikin'ny Lehibe any amin'ny avo" # ny Lehibe any amin'ny avo Eto ny teny "Lehibe" dia maneho an'Andriamanitra". DH: "Andriamanitra Avo Indrindra"