plt_tn/gen/23/10.md

52 lines
1.8 KiB
Markdown

# Ary nipetraka teo amin'ireo zanaka lahin'i Heta i Efrona
Eto ny "Ary" dia nampiasaina hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho any amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Efrona.
# Efrona
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
# ireo zanaka lahin'i Heta
Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3.
# mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta
Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafahan'ireo zanaka lahin'i Heta maheno azy" na "raha nihaino ireo zanaka lahin'i Heta"
# ireo rehetra izay tonga teo amin'ilay vavahadin'ny tanànany
Milaza ireo zanaka lahin'i Heta izay nihaino izany. DH: "ireo rehetra izay niangona teo amin'ny vavahadin'ny tanànany"
# vavahadin'ny tanànany
Ny vavahadin'ny tanàna dia toerana izay hihaonan'ireo mpitarika ny tanàna handraisana ireo fanapahan-kevitra manan-danja.
# ny tanànany
"ny tanàna izay honenany." Izany andian-teny izany dia maneho fa ao anisan'ny olona ao an- tanàna i Efrona. Tsy midika anefa izany fa tompon'izany izy.
# ry tompoko
Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana fanajana an'i Abrahama.
# teo anatrehan'ireo zanaka lahin'ny oloko
Eto ny "fanatrehana" dia milaza ny olona izay natao toy ny vavolombelona. DH: " toy ny vavolombelona miaraka amin'ireo mpiray firenena amiko"
# ireo zanaka lahin'ny oloko
Ny dikan'izany dia "ireo mpiray firenena amiko" na "ireo Hetita mpiray firenena"
# ny oloko
"ny oloko" izany andian-teny izany dia maneho fa Efrona dia ao anatin'ny vondron'ny olona. Tsy midika anefa izany fa mpitarika azy ireo izy.
# Omeko anao izany mba handevenanao ny faty izay anao
"Omeko anao izany. Aleveno ny faty izay anao"
# faty izay anao
Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadinao izay efa maty" na "ny vadinao"