# Ary nipetraka teo amin'ireo zanaka lahin'i Heta i Efrona Eto ny "Ary" dia nampiasaina hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho any amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Efrona. # Efrona Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7. # ireo zanaka lahin'i Heta Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. # mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafahan'ireo zanaka lahin'i Heta maheno azy" na "raha nihaino ireo zanaka lahin'i Heta" # ireo rehetra izay tonga teo amin'ilay vavahadin'ny tanànany Milaza ireo zanaka lahin'i Heta izay nihaino izany. DH: "ireo rehetra izay niangona teo amin'ny vavahadin'ny tanànany" # vavahadin'ny tanànany Ny vavahadin'ny tanàna dia toerana izay hihaonan'ireo mpitarika ny tanàna handraisana ireo fanapahan-kevitra manan-danja. # ny tanànany "ny tanàna izay honenany." Izany andian-teny izany dia maneho fa ao anisan'ny olona ao an- tanàna i Efrona. Tsy midika anefa izany fa tompon'izany izy. # ry tompoko Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana fanajana an'i Abrahama. # teo anatrehan'ireo zanaka lahin'ny oloko Eto ny "fanatrehana" dia milaza ny olona izay natao toy ny vavolombelona. DH: " toy ny vavolombelona miaraka amin'ireo mpiray firenena amiko" # ireo zanaka lahin'ny oloko Ny dikan'izany dia "ireo mpiray firenena amiko" na "ireo Hetita mpiray firenena" # ny oloko "ny oloko" izany andian-teny izany dia maneho fa Efrona dia ao anatin'ny vondron'ny olona. Tsy midika anefa izany fa mpitarika azy ireo izy. # Omeko anao izany mba handevenanao ny faty izay anao "Omeko anao izany. Aleveno ny faty izay anao" # faty izay anao Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadinao izay efa maty" na "ny vadinao"