plt_tn/gal/04/24.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manomboka milaza tantara i Paoly mba hanehoana fahamarinana iray _ fa tsy afaka miara-miasa ny lalàna sy ny fahasoavana.

Ireo zavatra ireo dia azo raisina ho toy ny fanoharana

"Ity tantaran'ny zanaka lahy anankiroa ity dia toy ny kisarisarin'izay ho lazaiko aminareo"

toy ny fanoharana

Ny "fanoharana" dia tantara ary ny olona sy ny zavatra ao amin'izany dia maneho zavatra hafa. Ao amin'ny fanoharan'i Paoly, ireo vehivavy noresahina tao amin'ny 4:21 dia maneho ny fanekem-pihavanana anankiroa.

tendrombohitr'i Sinay

Ny "Tendrombohitr'i Sinay" dia ilazana ny lalàna izy nomen'i Mosesy ireo zanak'Israely teo. DH: "Tendrombohitr'i Sinay, izay nanomezan'i Mosesy ny lalàna tamin'Israely"

niteraka zaza izay andevo izy

Raisin'i Paoly toy ny hoe olona ny lalàna. DH: "Ireo olona ambanin'izany fanekena izany dia toy ny andevo izay tsy maintsy mankatoa ny lalàna"

maneho

"dia kisarisarin'ny"

satria nandevozina niaraka tamin'ireo zanany izy

I Hagara dia andevo ary ireo zanany dia andevo miaraka aminy. DH: "Jerosalema, tahaka an'i Hagara, dia andevo, ary ireo zanany dia andevo miaraka aminy"