# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manomboka milaza tantara i Paoly mba hanehoana fahamarinana iray _ fa tsy afaka miara-miasa ny lalàna sy ny fahasoavana. # Ireo zavatra ireo dia azo raisina ho toy ny fanoharana "Ity tantaran'ny zanaka lahy anankiroa ity dia toy ny kisarisarin'izay ho lazaiko aminareo" # toy ny fanoharana Ny "fanoharana" dia tantara ary ny olona sy ny zavatra ao amin'izany dia maneho zavatra hafa. Ao amin'ny fanoharan'i Paoly, ireo vehivavy noresahina tao amin'ny 4:21 dia maneho ny fanekem-pihavanana anankiroa. # tendrombohitr'i Sinay Ny "Tendrombohitr'i Sinay" dia ilazana ny lalàna izy nomen'i Mosesy ireo zanak'Israely teo. DH: "Tendrombohitr'i Sinay, izay nanomezan'i Mosesy ny lalàna tamin'Israely" # niteraka zaza izay andevo izy Raisin'i Paoly toy ny hoe olona ny lalàna. DH: "Ireo olona ambanin'izany fanekena izany dia toy ny andevo izay tsy maintsy mankatoa ny lalàna" # maneho "dia kisarisarin'ny" # satria nandevozina niaraka tamin'ireo zanany izy I Hagara dia andevo ary ireo zanany dia andevo miaraka aminy. DH: "Jerosalema, tahaka an'i Hagara, dia andevo, ary ireo zanany dia andevo miaraka aminy"