plt_tn/gal/04/24.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manomboka milaza tantara i Paoly mba hanehoana fahamarinana iray _ fa tsy afaka miara-miasa ny lalàna sy ny fahasoavana.
# Ireo zavatra ireo dia azo raisina ho toy ny fanoharana
"Ity tantaran'ny zanaka lahy anankiroa ity dia toy ny kisarisarin'izay ho lazaiko aminareo"
# toy ny fanoharana
Ny "fanoharana" dia tantara ary ny olona sy ny zavatra ao amin'izany dia maneho zavatra hafa. Ao amin'ny fanoharan'i Paoly, ireo vehivavy noresahina tao amin'ny 4:21 dia maneho ny fanekem-pihavanana anankiroa.
# tendrombohitr'i Sinay
Ny "Tendrombohitr'i Sinay" dia ilazana ny lalàna izy nomen'i Mosesy ireo zanak'Israely teo. DH: "Tendrombohitr'i Sinay, izay nanomezan'i Mosesy ny lalàna tamin'Israely"
# niteraka zaza izay andevo izy
Raisin'i Paoly toy ny hoe olona ny lalàna. DH: "Ireo olona ambanin'izany fanekena izany dia toy ny andevo izay tsy maintsy mankatoa ny lalàna"
# maneho
"dia kisarisarin'ny"
# satria nandevozina niaraka tamin'ireo zanany izy
I Hagara dia andevo ary ireo zanany dia andevo miaraka aminy. DH: "Jerosalema, tahaka an'i Hagara, dia andevo, ary ireo zanany dia andevo miaraka aminy"