plt_tn/gal/03/23.md

28 lines
1.4 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Mampatsiahy ireo izay any Galatia i Paoly fa ireo mpino dia olon'afaka ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, fa tsy andevo ao ambanin'ny lalàna.
# isika dia notazonina ho babo tao ambanin'ny lalàna, nogadraina
Azo atao hoe DH: "nihazona antsika ho babo ny lalàna ary tany am-ponja isika" na "nihazona antsika ho babo tany am-ponja ny lalàna"
# izahay dia notazonina ho babo tao ambanin'ny lalàna, nogadraina
Ny fomba nifehezan'ny lalàna antsika dia resahina toy ny hoe mpiambina fonja izay mihazona antsika ho babo ny lalàna. DH: "nifehy antsika toy ny mpiambina fonja ny lalàna"
# mandra-pisehon'ny finoana
Azo adika mazava hoe iza io finoana io. DH: "mandra-panehon'Andriamanitra fa manamarina ireo izay mino an'i Kristy Izy" na "mandra-panehon'Andriamanitra fa manamarina ireo izay matoky an'i Kristy Izy"
# mpiambina
Mihoatra noho ny "olona iray izay manara-maso zaza iray," matetika dia andevo no tompon'Andraikitra amin'ny fampiharana ny fitsipika sy ny toetra apetrak'ireo ray aman-dreny, ary izy ireo no mitatitra ny fihetsiky ny zaza any amin'ny ray aman-dreny.
# nandra-piavian'i Kristy
"nandra-piavin'ny fotoana nahatongavan'i Kristy"
# mba ho voamarina ... isika
Talohan'ny nahatongavan'i Kristy, dia nikasa ny hanamariana antsika Andriamanitra. Rehefa tonga Kristy, dia notanterahiny ny fikasany hanamarina antsika. Azo adika hoe DH: "mba ho ambaran'Andriamanitra fa marina isika"