# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mampatsiahy ireo izay any Galatia i Paoly fa ireo mpino dia olon'afaka ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, fa tsy andevo ao ambanin'ny lalàna. # isika dia notazonina ho babo tao ambanin'ny lalàna, nogadraina Azo atao hoe DH: "nihazona antsika ho babo ny lalàna ary tany am-ponja isika" na "nihazona antsika ho babo tany am-ponja ny lalàna" # izahay dia notazonina ho babo tao ambanin'ny lalàna, nogadraina Ny fomba nifehezan'ny lalàna antsika dia resahina toy ny hoe mpiambina fonja izay mihazona antsika ho babo ny lalàna. DH: "nifehy antsika toy ny mpiambina fonja ny lalàna" # mandra-pisehon'ny finoana Azo adika mazava hoe iza io finoana io. DH: "mandra-panehon'Andriamanitra fa manamarina ireo izay mino an'i Kristy Izy" na "mandra-panehon'Andriamanitra fa manamarina ireo izay matoky an'i Kristy Izy" # mpiambina Mihoatra noho ny "olona iray izay manara-maso zaza iray," matetika dia andevo no tompon'Andraikitra amin'ny fampiharana ny fitsipika sy ny toetra apetrak'ireo ray aman-dreny, ary izy ireo no mitatitra ny fihetsiky ny zaza any amin'ny ray aman-dreny. # nandra-piavian'i Kristy "nandra-piavin'ny fotoana nahatongavan'i Kristy" # mba ho voamarina ... isika Talohan'ny nahatongavan'i Kristy, dia nikasa ny hanamariana antsika Andriamanitra. Rehefa tonga Kristy, dia notanterahiny ny fikasany hanamarina antsika. Azo adika hoe DH: "mba ho ambaran'Andriamanitra fa marina isika"