plt_tn/gal/03/23.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampatsiahy ireo izay any Galatia i Paoly fa ireo mpino dia olon'afaka ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, fa tsy andevo ao ambanin'ny lalàna.

isika dia notazonina ho babo tao ambanin'ny lalàna, nogadraina

Azo atao hoe DH: "nihazona antsika ho babo ny lalàna ary tany am-ponja isika" na "nihazona antsika ho babo tany am-ponja ny lalàna"

izahay dia notazonina ho babo tao ambanin'ny lalàna, nogadraina

Ny fomba nifehezan'ny lalàna antsika dia resahina toy ny hoe mpiambina fonja izay mihazona antsika ho babo ny lalàna. DH: "nifehy antsika toy ny mpiambina fonja ny lalàna"

mandra-pisehon'ny finoana

Azo adika mazava hoe iza io finoana io. DH: "mandra-panehon'Andriamanitra fa manamarina ireo izay mino an'i Kristy Izy" na "mandra-panehon'Andriamanitra fa manamarina ireo izay matoky an'i Kristy Izy"

mpiambina

Mihoatra noho ny "olona iray izay manara-maso zaza iray," matetika dia andevo no tompon'Andraikitra amin'ny fampiharana ny fitsipika sy ny toetra apetrak'ireo ray aman-dreny, ary izy ireo no mitatitra ny fihetsiky ny zaza any amin'ny ray aman-dreny.

nandra-piavian'i Kristy

"nandra-piavin'ny fotoana nahatongavan'i Kristy"

mba ho voamarina ... isika

Talohan'ny nahatongavan'i Kristy, dia nikasa ny hanamariana antsika Andriamanitra. Rehefa tonga Kristy, dia notanterahiny ny fikasany hanamarina antsika. Azo adika hoe DH: "mba ho ambaran'Andriamanitra fa marina isika"