plt_tn/ezr/08/01.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Misy fiovana hita tokoa amin'ny fanoratana manomboka eto. Ny toko 1-7 dia nosoratana toy ny hoe nanoratra momba an'i Ezra ny mpanoratra. Ny toko faha-8 dia nosoratana toy ny hoe Ezra no mpanoratra.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy 2-14 dia lisitr'ireo mpitarika sy ny razamben'izy ireo. Lehilahy avokoa izy rehetra ireo.

Amin'ny taranak'i Finehasa, dia i Gersona

Io no zavatra voalohany ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Finehasa dia i Gersoma" na "Gersoma no mpitarika ireo taranak'i Finehasa"

Amin'ny taranak'i Itamara, dia i Daniela

Io no zavatra faharoa ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Itamara dia i Daniela" na "Daniela no mpitarika ireo taranak'i Itamara"

Parosy

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:3 ihany io anaran-dehilahy io.

Amin'ny taranak'i Davida, dia Hatosy, izay...Parosy; ary Zakaria

Io no zavatra fahatelo ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Davida dia i Hatosy izay...Parosy; ary Zakaria" na "Ireo mpitarika ireo taranak'i Davida dia i Hatosy sy Zakaria. Hatosy izay avy amin'ny...Parosy"

Hatosy, izay avy amin'ny taranak'i Sekania, izay avy amin'ny taranak'i Parosy

Io dia afaka soratana ho fehezanteny misaraka aorian'ny hoe "Zakaria". DH: "Hatosy dia taranak'i Sekania, izay taranak'i Parosy"

ary nisy lehilahy 150 voatanisa tao amin'ny rakitry ny tetiarany niaraka taminy

"Nisy lehilahy 150 voatanisa tao amin'ny rakitry ny tetiarany niaraka tamin'i Zakaria"