plt_tn/ezr/08/01.md

32 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Misy fiovana hita tokoa amin'ny fanoratana manomboka eto. Ny toko 1-7 dia nosoratana toy ny hoe nanoratra momba an'i Ezra ny mpanoratra. Ny toko faha-8 dia nosoratana toy ny hoe Ezra no mpanoratra.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny andininy 2-14 dia lisitr'ireo mpitarika sy ny razamben'izy ireo. Lehilahy avokoa izy rehetra ireo.
# Amin'ny taranak'i Finehasa, dia i Gersona
Io no zavatra voalohany ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Finehasa dia i Gersoma" na "Gersoma no mpitarika ireo taranak'i Finehasa"
# Amin'ny taranak'i Itamara, dia i Daniela
Io no zavatra faharoa ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Itamara dia i Daniela" na "Daniela no mpitarika ireo taranak'i Itamara"
# Parosy
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:3 ihany io anaran-dehilahy io.
# Amin'ny taranak'i Davida, dia Hatosy, izay...Parosy; ary Zakaria
Io no zavatra fahatelo ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Davida dia i Hatosy izay...Parosy; ary Zakaria" na "Ireo mpitarika ireo taranak'i Davida dia i Hatosy sy Zakaria. Hatosy izay avy amin'ny...Parosy"
# Hatosy, izay avy amin'ny taranak'i Sekania, izay avy amin'ny taranak'i Parosy
Io dia afaka soratana ho fehezanteny misaraka aorian'ny hoe "Zakaria". DH: "Hatosy dia taranak'i Sekania, izay taranak'i Parosy"
# ary nisy lehilahy 150 voatanisa tao amin'ny rakitry ny tetiarany niaraka taminy
"Nisy lehilahy 150 voatanisa tao amin'ny rakitry ny tetiarany niaraka tamin'i Zakaria"