plt_tn/ezr/06/11.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity dia manomboka ny firaketana ny didin'i Kyrosy Mpanjaka fa nanangana indray ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema ireo Jiosy, izay nanomboka tao amin'ny 6:3.

tsy maintsy hanesorana andry iray eo amin'ny tranony ary tsy maintsy hahantona amin'izany izy. Ary tsy maintsy ho lasa fako mivangongo noho izany ny tranony

DH: "Mandidy ireo manam-boninahitro hanala andry iray amin'ny tranony sy hanantona azy eo amin'izany aho. Ka dia havadik'izy ireo ho fako mivangongo ny tranony"

andry

tapaka hazo mafy, matanjaka, manohana ny tafon'ny trano iray

hahantona

fantsihina eo

izay manandra-tanana hanova...na hanimba

Ny fanandratana ny tanana dia manambara ny fiezahana sy ny fahasahiana hanao zavatra. DH: "izay miezaka hanova...na hanimba" na "izay sahy hanova...na hanimba"

hanova izany lalàna izany

Ny anarana hoe "lalàna" dia afaka ambara amin'ny andianteny hoe "izay efa nandidiako." DH: "mba hanova izay efa nandidiako" na "mba hilaza fa efa nandidy zavatra hafa aho"