plt_tn/exo/28/29.md

716 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.

tsy maintsy mitondra ny anaran'ireo vahoakan'Israely eo amin'ny fony ao amin'ny saron-tratra izy

Io dia manondro anaran'ireo foko voasokitra amin'ireo vato roambinifolo ny saron-tratra araka ny voasoritsoritra ao amin'ny 28:17.

eo amin'ny fony

"eo amin'ny fon'i Arona" na "eo amin'ny tratrany"

ny Orima sy ny Tomima...fomba entina manapa-kevitra

Ny andianteny faharoa dia eo mba hanondro an'i Orima sy Tomima ary manazava ny tanjon'ireo.

ny Orima sy ny Tomima

Tsy mazava hoe inona ireo. Zavatra ireo, mety ho vato, izay nampiasain'ny mpisorona hamaritana ny sitra-pon'Andriamanitra.