# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh. # tsy maintsy mitondra ny anaran'ireo vahoakan'Israely eo amin'ny fony ao amin'ny saron-tratra izy Io dia manondro anaran'ireo foko voasokitra amin'ireo vato roambinifolo ny saron-tratra araka ny voasoritsoritra ao amin'ny 28:17. # eo amin'ny fony "eo amin'ny fon'i Arona" na "eo amin'ny tratrany" # ny Orima sy ny Tomima...fomba entina manapa-kevitra Ny andianteny faharoa dia eo mba hanondro an'i Orima sy Tomima ary manazava ny tanjon'ireo. # ny Orima sy ny Tomima Tsy mazava hoe inona ireo. Zavatra ireo, mety ho vato, izay nampiasain'ny mpisorona hamaritana ny sitra-pon'Andriamanitra.