plt_tn/exo/22/01.md

44 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy miteny amin'i Mosesy ny lalàny ho an'ny vahoakan'ny Israely i Yaveh.
# Raha misy mpangalatra tratra
DH: "Raha misy olona mahatratra mpangalatra"
# mamaky trano
"mampiasa hery mba hidirana ao amin'ny trano iray"
# raha vonoina izy ka maty
DH: "raha misy olona mamely mpangalatra ka maty izy"
# tsy misy fanamelohana nohon'ny vono-olona hamatotra na iza na iza nohon'ny aminy amin'izany tranga izany
"tsy misy olona ho meloka noho ny famonoana azy"
# raha niposaka ny masoandro talohan'ny namakiany ny trano
"raha mbola mazava mialohan'ny hamakiany trano" na "raha mamaky trano izy nefa aorian'ny fiposahan'ny masoandro"
# hamatotra ilay olona izay namono azy ny fanamelohana amin'ny vono-olona
"ny olona izay mamono azy dia ho meloka noho ny famonoana olona"
# manonitra
"mandoa ny amin'izay nangalariny"
# tsy maintsy amidy nohon'ny fangalarany izy
DH: "tsy maintsy hivarotra azy ho andevo ianao mba handoavany izay nangalariny"
# Raha hita velona eny an-tanany ilay biby nangalariny, na omby izany, na apondra, na ondry, dia tsy maintsy hanonitra avo roa heny izany izy
DH: "Raha hitan'izy ireo fa mbola velona ilay biby izay nangalariny"
# hanonitra avo roa heny
mandoa biby roa ho solon'ny biby rehetra izay nangalariny