plt_tn/exo/18/01.md

778 B

rafozan-dahin'i Mosesy

Io dia manondro ny rain'ny vadin'i Mosesy.

Zipora, vadin'i Mosesy...ary ireo zanany roa lahy

Ireo mety ho heviny dia 1) naka an'i Zipora sy ireo zanany roalahy ho eo amin'i Mosesy i Jetro, 2) nandray an'i Zipora sy ireo zanany roalahy nialoha i Jetro.

taorian'ny nampodiany azy

Io dia zavatra nataon'i Mosesy aloha be. DH: "taorian'ny nandefasan'i Mosesy azy hody any amin'ny ray aman-dreniny"

Gersoma

Io dia zanak'i Mosesy sy Zipora lahy, izay ny anarany dia midika hoe "vahiny".

Eliezera

Io dia zanak'i Mosesy sy Zipora lahy, izay ny anarany dia midika hoe "Andriamanitra dia Ilay izay manampy ahy."

sabatr'i Farao

Io dia manondro fa hoe novonoin'i Farao na ny tafik'i Farao. DH: "novonoin'i Farao" na "novonoin'ny tafik'i Farao"