plt_tn/exo/16/28.md

889 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amin'i Mosesy i Yaveh, nefa ny teny hoe "ianareo" dia manondro ny vahoaka amin'ny ankapobeny.

Mandra-pahovina no handavanareo hitandrina ireo didiko sy ireo lalàko?

Nampiasa io fanontaniana io Andriamanitra mba hibedesana ny vahoaka satria tsy nankato ireo lalàny izy ireo. DH: "Ianareo vahoaka dia tsy mbola mitandrina ireo didiko sy ireo lalàko!"

hitandrina ireo didiko sy ireo lalàko

''mba hankato ireo didiko sy ireo lalàko"

nomen'i Yaveh anareo ny andro Sabata

Resahin'i Yaveh toy ny fanomezana ny Sabata ny fampianarana ny vahoaka hitsahatra amin'ny Sabata. DH: "Izaho, Yaveh, dia efa nampianatra anareo hitsahatra amin'ny Sabata"

andro fahenina...roa andro...andro fahafito

"andro faha-6...2 andro...andro faha-7"

mofo

Io dia manondro ny mofo izay nanify tahaka ny ando niseho teny amin'ny tany isa-maraina.