# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miresaka amin'i Mosesy i Yaveh, nefa ny teny hoe "ianareo" dia manondro ny vahoaka amin'ny ankapobeny. # Mandra-pahovina no handavanareo hitandrina ireo didiko sy ireo lalàko? Nampiasa io fanontaniana io Andriamanitra mba hibedesana ny vahoaka satria tsy nankato ireo lalàny izy ireo. DH: "Ianareo vahoaka dia tsy mbola mitandrina ireo didiko sy ireo lalàko!" # hitandrina ireo didiko sy ireo lalàko ''mba hankato ireo didiko sy ireo lalàko" # nomen'i Yaveh anareo ny andro Sabata Resahin'i Yaveh toy ny fanomezana ny Sabata ny fampianarana ny vahoaka hitsahatra amin'ny Sabata. DH: "Izaho, Yaveh, dia efa nampianatra anareo hitsahatra amin'ny Sabata" # andro fahenina...roa andro...andro fahafito "andro faha-6...2 andro...andro faha-7" # mofo Io dia manondro ny mofo izay nanify tahaka ny ando niseho teny amin'ny tany isa-maraina.