plt_tn/exo/03/16.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy miresaka amin'i Mosesy Andriamanitra.
# Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba
Abrahama, Isaka ary Jakoba dia telo tamin'ireo razamben'i Mosesy. Nanompo Andriamanitra mitovy izy rehetra.
# Efa nandinika anareo tokoa Aho
Ny teny hoe ''ianareo'' dia manondro ny vahoakan'Israely.
# tany tondra-dronono sy tantely
''tany izay tondra-dronono sy tantely.'' Lazain'Andriamanitra fa ny tany dia tsara ho an'ireo biby sy ireo zava-maniry tahaka ny hoe miraraka amin'ny tany avy amin'ireo biby sy ireo zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 3:7. DH: ''tany izay tsara hiompiana biby fiompy sy hampaniriana vokatra''
# tondraka
''feno ny'' na ''betsaka ny''
# ronono
Satria mivoaka avy amin'ny ombivavy sy osivavy ny ronono, dia manambara sakafo avoakan'ny biby fiompy izany. DH: ''sakafo avy amin'ny biby fiompy''
# tantely
Satria vokatra avy amin'ny voninkazo ny tantely, dia manambara sakafo avy amin'ny vokatra izany. DH: ''sakafo avy amin'ny vokatra''
# Hihaino anao izy ireo
Ny teny hoe ''anao'' dia manondro an'i Mosesy. DH: ''Hihaino anao ireo loholona''