# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miresaka amin'i Mosesy Andriamanitra. # Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba Abrahama, Isaka ary Jakoba dia telo tamin'ireo razamben'i Mosesy. Nanompo Andriamanitra mitovy izy rehetra. # Efa nandinika anareo tokoa Aho Ny teny hoe ''ianareo'' dia manondro ny vahoakan'Israely. # tany tondra-dronono sy tantely ''tany izay tondra-dronono sy tantely.'' Lazain'Andriamanitra fa ny tany dia tsara ho an'ireo biby sy ireo zava-maniry tahaka ny hoe miraraka amin'ny tany avy amin'ireo biby sy ireo zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 3:7. DH: ''tany izay tsara hiompiana biby fiompy sy hampaniriana vokatra'' # tondraka ''feno ny'' na ''betsaka ny'' # ronono Satria mivoaka avy amin'ny ombivavy sy osivavy ny ronono, dia manambara sakafo avoakan'ny biby fiompy izany. DH: ''sakafo avy amin'ny biby fiompy'' # tantely Satria vokatra avy amin'ny voninkazo ny tantely, dia manambara sakafo avy amin'ny vokatra izany. DH: ''sakafo avy amin'ny vokatra'' # Hihaino anao izy ireo Ny teny hoe ''anao'' dia manondro an'i Mosesy. DH: ''Hihaino anao ireo loholona''