plt_tn/exo/03/16.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy miresaka amin'i Mosesy Andriamanitra.

Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba

Abrahama, Isaka ary Jakoba dia telo tamin'ireo razamben'i Mosesy. Nanompo Andriamanitra mitovy izy rehetra.

Efa nandinika anareo tokoa Aho

Ny teny hoe ''ianareo'' dia manondro ny vahoakan'Israely.

tany tondra-dronono sy tantely

''tany izay tondra-dronono sy tantely.'' Lazain'Andriamanitra fa ny tany dia tsara ho an'ireo biby sy ireo zava-maniry tahaka ny hoe miraraka amin'ny tany avy amin'ireo biby sy ireo zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 3:7. DH: ''tany izay tsara hiompiana biby fiompy sy hampaniriana vokatra''

tondraka

''feno ny'' na ''betsaka ny''

ronono

Satria mivoaka avy amin'ny ombivavy sy osivavy ny ronono, dia manambara sakafo avoakan'ny biby fiompy izany. DH: ''sakafo avy amin'ny biby fiompy''

tantely

Satria vokatra avy amin'ny voninkazo ny tantely, dia manambara sakafo avy amin'ny vokatra izany. DH: ''sakafo avy amin'ny vokatra''

Hihaino anao izy ireo

Ny teny hoe ''anao'' dia manondro an'i Mosesy. DH: ''Hihaino anao ireo loholona''