plt_tn/eph/02/01.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Paoly mampatsiahy ireo mpino ny lasan'izy ireo sy ny fomba fiainan'izy ireo eo anatrehan' Andriamanitra ankehitriny.

maty tao anatin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo ianareo

Ity dia mampiseho ny tsy fahafahan'ny olona mankatoa an'Andriamanitra amin'ny maha-mpanota azy ireo tahaka ny olona maty tsy afaka mamaly ara-batana.

araka ny fomban'izao tontolo izao

Ireo apostoly koa dia nampiasa ny hoe ''izao tontolo izao'' mba hanehoana ny fitondrantena feno fitiavan-tana sy ny soatoavina mahatsiravina ataon'ny olona eto amin'izao tontolo izao. DH: ''araka ny soatoavin'ny olona miaina eto amin'izao tontolo izao'' na ''manaraka ireo fitsipk'izao tontolo ankehitriny izao''

mpanapaka ireo fahefana eny amin'ny rivotra

Ity dia maneho ny devoly na Satana.

ilay fanahy izay miasa

''ilay fanahin'ny Satana, izay miasa''

fanirian'ny nofo sy ny saina

Ny teny hoe ''nofo'' sy ''saina'' dia maneho ny maha-olona manontolo.

zanaky ny fahatezerana

ny olona izay tezeran'Andriamanitra