# Fampifandraisana ny foto-kevitra Paoly mampatsiahy ireo mpino ny lasan'izy ireo sy ny fomba fiainan'izy ireo eo anatrehan' Andriamanitra ankehitriny. # maty tao anatin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo ianareo Ity dia mampiseho ny tsy fahafahan'ny olona mankatoa an'Andriamanitra amin'ny maha-mpanota azy ireo tahaka ny olona maty tsy afaka mamaly ara-batana. # araka ny fomban'izao tontolo izao Ireo apostoly koa dia nampiasa ny hoe ''izao tontolo izao'' mba hanehoana ny fitondrantena feno fitiavan-tana sy ny soatoavina mahatsiravina ataon'ny olona eto amin'izao tontolo izao. DH: ''araka ny soatoavin'ny olona miaina eto amin'izao tontolo izao'' na ''manaraka ireo fitsipk'izao tontolo ankehitriny izao'' # mpanapaka ireo fahefana eny amin'ny rivotra Ity dia maneho ny devoly na Satana. # ilay fanahy izay miasa ''ilay fanahin'ny Satana, izay miasa'' # fanirian'ny nofo sy ny saina Ny teny hoe ''nofo'' sy ''saina'' dia maneho ny maha-olona manontolo. # zanaky ny fahatezerana ny olona izay tezeran'Andriamanitra