plt_tn/deu/21/20.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.

Ity zanakay ity

"ity zanakay lahy ity"

tsy hankato ny teninay izy

Eto ny hoe "feo" dia sarinteny hilazana izay lazain'ny olona iray na hanehoana ilay olona mihitsy. DH: "tsy hanao izay asainay ataony izy" na "tsy hankato anay izy"

tenda-kanina

olona izay mihinana sy misotro be loatra

mpimamo

olona izay misotro toaka be loatra ary mamo matetika.

mitora-bato azy ho faty

"mitora-bato azy mandra-pahafaty azy"

ianao dia hanala ny ratsy eo aminao

DH: "tsy maintsy esorinao eo aminao ireo olona Israelita izay manao izany zavatra ratsy izany" na "tsy maintsy vonoinao izany olon-dratsy izany"

Israely rehetra

Ny teny hoe "Israely" dia sarinteny ho an'ny vahoakan'Israely. DH: "ny vahoakan''Israely rehetra"

handre izany ka hatahotra

Afaka atao mazava tsara ny dikan'ity fehezanteny ity. DH: "handre momban'izay nitranga tamin'ilay zanaka lahy ka hatahotra sao hanasazy azy ireo ihany koa ny vahoaka"