# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # Ity zanakay ity "ity zanakay lahy ity" # tsy hankato ny teninay izy Eto ny hoe "feo" dia sarinteny hilazana izay lazain'ny olona iray na hanehoana ilay olona mihitsy. DH: "tsy hanao izay asainay ataony izy" na "tsy hankato anay izy" # tenda-kanina olona izay mihinana sy misotro be loatra # mpimamo olona izay misotro toaka be loatra ary mamo matetika. # mitora-bato azy ho faty "mitora-bato azy mandra-pahafaty azy" # ianao dia hanala ny ratsy eo aminao DH: "tsy maintsy esorinao eo aminao ireo olona Israelita izay manao izany zavatra ratsy izany" na "tsy maintsy vonoinao izany olon-dratsy izany" # Israely rehetra Ny teny hoe "Israely" dia sarinteny ho an'ny vahoakan'Israely. DH: "ny vahoakan''Israely rehetra" # handre izany ka hatahotra Afaka atao mazava tsara ny dikan'ity fehezanteny ity. DH: "handre momban'izay nitranga tamin'ilay zanaka lahy ka hatahotra sao hanasazy azy ireo ihany koa ny vahoaka"