plt_tn/deu/19/15.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakanIsraely.
# vavolombelona tokana
"vavolombelona iray ihany"
# hitsangana hiampanga olona iray
Eto ny hoe "hitsangana" dia midika hoe mijoro eo amin'ny fitsaràna manohitra olona iray eo amin'ny mpitsara. DH: "tsy tokony hiteny amin'ireo mpitsara momban'ny zavatra ratsy izay nataon'ny olona iray"
# amin'ny zavatra rehetra nanotàny
"amin'ny fotoana rehetra anaovan'ny olona zavatra ratsy"
# fa amin'ny vavan'ny vavolombelona roa, na amin'ny vavan'ny vavolombelona telo
Eto ny hoe "vava" dia maneho izay amabaran'ireo vavolombelona. Izany dia midika fa tokony hisy vavolombelona roa na telo farafahakeliny. DH: "amin'ny fijoroan'olona roa na telo vavolombelona" na "mifototra amin'izay lazain'ny olona roa na telo fa nitranga"
# hanamarinana ny zavatra rehetra
DH: "no hanamarinanao fa meloka ilay olona"
# vavolombelona tsy marina
"vavolombelona izay mikasa handratra olona hafa"
# mitsangana manohitra olona mba hijoro vavolombelona hiampanga azy amin'ny fanaovan-dratsy
Eto ny hoe "mitsangana" dia midika hoe mijoro ao amin'ny fitsaràna mba hanohitra olona iray amin'ny mpitsara. DH: "milaza amin'ny mpitsara fa nanota ny olona iray mba hanakorontanana an'ilay olona" na "milaza amin'ny mpitsara fa nanota ny olona iray, mba hanasazy azy ilay mpitsara"