plt_tn/deu/19/15.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakanIsraely.

vavolombelona tokana

"vavolombelona iray ihany"

hitsangana hiampanga olona iray

Eto ny hoe "hitsangana" dia midika hoe mijoro eo amin'ny fitsaràna manohitra olona iray eo amin'ny mpitsara. DH: "tsy tokony hiteny amin'ireo mpitsara momban'ny zavatra ratsy izay nataon'ny olona iray"

amin'ny zavatra rehetra nanotàny

"amin'ny fotoana rehetra anaovan'ny olona zavatra ratsy"

fa amin'ny vavan'ny vavolombelona roa, na amin'ny vavan'ny vavolombelona telo

Eto ny hoe "vava" dia maneho izay amabaran'ireo vavolombelona. Izany dia midika fa tokony hisy vavolombelona roa na telo farafahakeliny. DH: "amin'ny fijoroan'olona roa na telo vavolombelona" na "mifototra amin'izay lazain'ny olona roa na telo fa nitranga"

hanamarinana ny zavatra rehetra

DH: "no hanamarinanao fa meloka ilay olona"

vavolombelona tsy marina

"vavolombelona izay mikasa handratra olona hafa"

mitsangana manohitra olona mba hijoro vavolombelona hiampanga azy amin'ny fanaovan-dratsy

Eto ny hoe "mitsangana" dia midika hoe mijoro ao amin'ny fitsaràna mba hanohitra olona iray amin'ny mpitsara. DH: "milaza amin'ny mpitsara fa nanota ny olona iray mba hanakorontanana an'ilay olona" na "milaza amin'ny mpitsara fa nanota ny olona iray, mba hanasazy azy ilay mpitsara"