# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakanIsraely. # vavolombelona tokana "vavolombelona iray ihany" # hitsangana hiampanga olona iray Eto ny hoe "hitsangana" dia midika hoe mijoro eo amin'ny fitsaràna manohitra olona iray eo amin'ny mpitsara. DH: "tsy tokony hiteny amin'ireo mpitsara momban'ny zavatra ratsy izay nataon'ny olona iray" # amin'ny zavatra rehetra nanotàny "amin'ny fotoana rehetra anaovan'ny olona zavatra ratsy" # fa amin'ny vavan'ny vavolombelona roa, na amin'ny vavan'ny vavolombelona telo Eto ny hoe "vava" dia maneho izay amabaran'ireo vavolombelona. Izany dia midika fa tokony hisy vavolombelona roa na telo farafahakeliny. DH: "amin'ny fijoroan'olona roa na telo vavolombelona" na "mifototra amin'izay lazain'ny olona roa na telo fa nitranga" # hanamarinana ny zavatra rehetra DH: "no hanamarinanao fa meloka ilay olona" # vavolombelona tsy marina "vavolombelona izay mikasa handratra olona hafa" # mitsangana manohitra olona mba hijoro vavolombelona hiampanga azy amin'ny fanaovan-dratsy Eto ny hoe "mitsangana" dia midika hoe mijoro ao amin'ny fitsaràna mba hanohitra olona iray amin'ny mpitsara. DH: "milaza amin'ny mpitsara fa nanota ny olona iray mba hanakorontanana an'ilay olona" na "milaza amin'ny mpitsara fa nanota ny olona iray, mba hanasazy azy ilay mpitsara"