plt_tn/deu/13/06.md

939 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.

ny vady famihinareo

Fomba fiteny ity izay hoe mamihina azy eo an-tratrany izy, izay midika fa tia azy izy ary sarobidy aminy izy. DH: "ny vady tianao" na "ny vady izay tena ekenao"

ny namanareo izay tianareo tahaka ny tenanareo

Eto ny hoe "tena" dia maneho ny fiainan'ilay olona. Izany dia midika fa mikarakara ny namany tahaka ny hikarakarany ny fiainany ilay olona. DH: "ny namanao tena tianao" na "namanao izay tianao fatratra tahaka ny hitiavanao ny tenanao"

hitaona mangina anareo ary hiteny hoe: 'Aoka isika andeha ary hanompo ireo andriamanitra hafa ... avy any amin'ny fara-vazan-tany.'

DH: "handresy lahatra anareo mangina mba handeha sy hanompo ... avy any amin'ny fara-vazan-tany."

avy amin'izao tontolo rehetra izao

Eto izany dia midika hoe na aiza na aiza eto ambonin'ny tany. DH: "manerana an'izao tontolo rehetra izao"