plt_tn/deu/13/06.md

20 lines
939 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
# ny vady famihinareo
Fomba fiteny ity izay hoe mamihina azy eo an-tratrany izy, izay midika fa tia azy izy ary sarobidy aminy izy. DH: "ny vady tianao" na "ny vady izay tena ekenao"
# ny namanareo izay tianareo tahaka ny tenanareo
Eto ny hoe "tena" dia maneho ny fiainan'ilay olona. Izany dia midika fa mikarakara ny namany tahaka ny hikarakarany ny fiainany ilay olona. DH: "ny namanao tena tianao" na "namanao izay tianao fatratra tahaka ny hitiavanao ny tenanao"
# hitaona mangina anareo ary hiteny hoe: 'Aoka isika andeha ary hanompo ireo andriamanitra hafa ... avy any amin'ny fara-vazan-tany.'
DH: "handresy lahatra anareo mangina mba handeha sy hanompo ... avy any amin'ny fara-vazan-tany."
# avy amin'izao tontolo rehetra izao
Eto izany dia midika hoe na aiza na aiza eto ambonin'ny tany. DH: "manerana an'izao tontolo rehetra izao"