plt_tn/deu/12/21.md

32 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
# nofidian'i Yaveh hametrahana ny anarany
Eto ny hoe "anarana" dia maneho an'Andriamanitra mihitsy. Yaveh dia hisafidy toerana izay honenany ary ho tonga hanompo Azy ny olona. DH: "nofidiany honenana"
# ao amin'ny vavahadianao
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna iray manontolo. DH: "ao amin'ny tanànanao" na "ao amin'ny fiaraha-moninao."
# araka izay irian'ny fanahinao
Eto ny hoe "fanahy" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "araka izay irianao"
# Tahaka ny hihinanana ny gazela sy ny diera
DH: "tahaka ny hihinananao ny gazela sy ny diera"
# gazela sy diera
Ireo dia bibidia manana tongotra mahia lava be izay afaka mihazakazaka mafy. Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 12:15.
# ny olona maloto
Ny olona izay tsy ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona.
# ny olona madio
Ny olona izay ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay olona.