# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely. # nofidian'i Yaveh hametrahana ny anarany Eto ny hoe "anarana" dia maneho an'Andriamanitra mihitsy. Yaveh dia hisafidy toerana izay honenany ary ho tonga hanompo Azy ny olona. DH: "nofidiany honenana" # ao amin'ny vavahadianao Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanĂ na iray manontolo. DH: "ao amin'ny tanĂ nanao" na "ao amin'ny fiaraha-moninao." # araka izay irian'ny fanahinao Eto ny hoe "fanahy" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "araka izay irianao" # Tahaka ny hihinanana ny gazela sy ny diera DH: "tahaka ny hihinananao ny gazela sy ny diera" # gazela sy diera Ireo dia bibidia manana tongotra mahia lava be izay afaka mihazakazaka mafy. Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 12:15. # ny olona maloto Ny olona izay tsy ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona. # ny olona madio Ny olona izay ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay olona.