plt_tn/dan/11/36.md

1.1 KiB

Hanao araka izay iriany ny mpanjaka

"hanao izay tiany ny mpanjaka"

ny mpanjaka

Ilazana ny mpanjakan'ny Avaratra izany.

Hanandra-tena izy ka hanao ny tenany ho lehibe

Ny andian-teny hoe "Hanandra-tena" sy ny hoe "hanao ny tenany ho lehibe" dia midika zavatra mitovy ary manondro fa ho lasa mpirehareha ny mpanjaka.

Hanandra-tena

Eto dia milaza izany hoe lasa mpirehareha loatra.

hanao ny tenany ho lehibe

Eto dia milaza hoe mody zava-dehibe na feno hery izany.

zavatra manohina

"zava-mahatsiravina" na "zava-manafintohina"

ambara-pahatanterahan'ny fahavinirana

Izany andian-teny izany dia manao sary an'Andriamanitra mitahiry ny fahavinirany mandra-pahafenon'ny trano fitehirizana tanteraka amin'izany ary vonona ny hiasa arak'izany Izy. DH: "mandrapaha-tezitra an'Andriamanitra tanteraka aminy" na "mandrapaha-tezitra an'Andriamanitra mba hanao hetsika hanohitra azy."

ny Andriamanitry ny andriamanitra

Ilazana Ilay Andriamanitra Tokana Marina izany. DH: "ny Andriamanitra Avo indrindra" na "Ilay Andriamanitra tokana marina"

ilay andriamanitra tsiriritin'ny vehivavy

Toa ilazana ny andriamanitra mpanompo sampy nantsoina hoe Tamozy izany.