# Hanao araka izay iriany ny mpanjaka "hanao izay tiany ny mpanjaka" # ny mpanjaka Ilazana ny mpanjakan'ny Avaratra izany. # Hanandra-tena izy ka hanao ny tenany ho lehibe Ny andian-teny hoe "Hanandra-tena" sy ny hoe "hanao ny tenany ho lehibe" dia midika zavatra mitovy ary manondro fa ho lasa mpirehareha ny mpanjaka. # Hanandra-tena Eto dia milaza izany hoe lasa mpirehareha loatra. # hanao ny tenany ho lehibe Eto dia milaza hoe mody zava-dehibe na feno hery izany. # zavatra manohina "zava-mahatsiravina" na "zava-manafintohina" # ambara-pahatanterahan'ny fahavinirana Izany andian-teny izany dia manao sary an'Andriamanitra mitahiry ny fahavinirany mandra-pahafenon'ny trano fitehirizana tanteraka amin'izany ary vonona ny hiasa arak'izany Izy. DH: "mandrapaha-tezitra an'Andriamanitra tanteraka aminy" na "mandrapaha-tezitra an'Andriamanitra mba hanao hetsika hanohitra azy." # ny Andriamanitry ny andriamanitra Ilazana Ilay Andriamanitra Tokana Marina izany. DH: "ny Andriamanitra Avo indrindra" na "Ilay Andriamanitra tokana marina" # ilay andriamanitra tsiriritin'ny vehivavy Toa ilazana ny andriamanitra mpanompo sampy nantsoina hoe Tamozy izany.