plt_tn/dan/11/36.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Hanao araka izay iriany ny mpanjaka
"hanao izay tiany ny mpanjaka"
# ny mpanjaka
Ilazana ny mpanjakan'ny Avaratra izany.
# Hanandra-tena izy ka hanao ny tenany ho lehibe
Ny andian-teny hoe "Hanandra-tena" sy ny hoe "hanao ny tenany ho lehibe" dia midika zavatra mitovy ary manondro fa ho lasa mpirehareha ny mpanjaka.
# Hanandra-tena
Eto dia milaza izany hoe lasa mpirehareha loatra.
# hanao ny tenany ho lehibe
Eto dia milaza hoe mody zava-dehibe na feno hery izany.
# zavatra manohina
"zava-mahatsiravina" na "zava-manafintohina"
# ambara-pahatanterahan'ny fahavinirana
Izany andian-teny izany dia manao sary an'Andriamanitra mitahiry ny fahavinirany mandra-pahafenon'ny trano fitehirizana tanteraka amin'izany ary vonona ny hiasa arak'izany Izy. DH: "mandrapaha-tezitra an'Andriamanitra tanteraka aminy" na "mandrapaha-tezitra an'Andriamanitra mba hanao hetsika hanohitra azy."
# ny Andriamanitry ny andriamanitra
Ilazana Ilay Andriamanitra Tokana Marina izany. DH: "ny Andriamanitra Avo indrindra" na "Ilay Andriamanitra tokana marina"
# ilay andriamanitra tsiriritin'ny vehivavy
Toa ilazana ny andriamanitra mpanompo sampy nantsoina hoe Tamozy izany.