plt_tn/dan/11/03.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
# Hisy mpanjaka mahery hitsangana
Ny hevitry ny fiarenana na fitsanganana dia matetika ampiasaina ho an'ny olona lasa fenpo hery. DH: "Hisy mpanjaka mahery hanomboka hitondra"
# izay hanapaka fanjakana lehibe tokoa
Mety ho dikany ny hoe 1) fa ho goavana tokoa ny haben'ny fanjakany, na 2) fa hitondra ny fanjakany amin-kery lehibe tokoa ny mpanjaka.
# dia ho rava ny fanjakany ary hizara
DH: "Ho vaky hisaraka ny fanjakany ary hizara" na "Ho vaky hisaraka an-tsingatsingany ny fanjakany"
# ny rivotra efatry ny lanitra
Adikao tahaka ny ao amin'ny 7:1 izany.
# fa tsy amin'ny taranany manokana
Ny hevitry ny tsy fizarazarana sy ny tsy fitsinjarana dia voalaza eto. DH: "fa tsy voazara ho an'ireo taranany ihany izany" na "fa tsy voatsinjara ho an'ireo taranany ihany izany"
# ny fanjakany dia ho fongotra ho an'ny hafa ankoatra ireo taranany
Ny fanjakana dia lazaina ho toy ny hoe nambolena ka nisy olona namotika azy tamin'ny alalan'ny famongorana izany. DH: "hisy hery hafa hamongotra sy hamotika ny fanjakany ary hisy hafa izay tsy taranany hitondra eo amin'izany."