plt_tn/dan/11/03.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.

Hisy mpanjaka mahery hitsangana

Ny hevitry ny fiarenana na fitsanganana dia matetika ampiasaina ho an'ny olona lasa fenpo hery. DH: "Hisy mpanjaka mahery hanomboka hitondra"

izay hanapaka fanjakana lehibe tokoa

Mety ho dikany ny hoe 1) fa ho goavana tokoa ny haben'ny fanjakany, na 2) fa hitondra ny fanjakany amin-kery lehibe tokoa ny mpanjaka.

dia ho rava ny fanjakany ary hizara

DH: "Ho vaky hisaraka ny fanjakany ary hizara" na "Ho vaky hisaraka an-tsingatsingany ny fanjakany"

ny rivotra efatry ny lanitra

Adikao tahaka ny ao amin'ny 7:1 izany.

fa tsy amin'ny taranany manokana

Ny hevitry ny tsy fizarazarana sy ny tsy fitsinjarana dia voalaza eto. DH: "fa tsy voazara ho an'ireo taranany ihany izany" na "fa tsy voatsinjara ho an'ireo taranany ihany izany"

ny fanjakany dia ho fongotra ho an'ny hafa ankoatra ireo taranany

Ny fanjakana dia lazaina ho toy ny hoe nambolena ka nisy olona namotika azy tamin'ny alalan'ny famongorana izany. DH: "hisy hery hafa hamongotra sy hamotika ny fanjakany ary hisy hafa izay tsy taranany hitondra eo amin'izany."