# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely. # Hisy mpanjaka mahery hitsangana Ny hevitry ny fiarenana na fitsanganana dia matetika ampiasaina ho an'ny olona lasa fenpo hery. DH: "Hisy mpanjaka mahery hanomboka hitondra" # izay hanapaka fanjakana lehibe tokoa Mety ho dikany ny hoe 1) fa ho goavana tokoa ny haben'ny fanjakany, na 2) fa hitondra ny fanjakany amin-kery lehibe tokoa ny mpanjaka. # dia ho rava ny fanjakany ary hizara DH: "Ho vaky hisaraka ny fanjakany ary hizara" na "Ho vaky hisaraka an-tsingatsingany ny fanjakany" # ny rivotra efatry ny lanitra Adikao tahaka ny ao amin'ny 7:1 izany. # fa tsy amin'ny taranany manokana Ny hevitry ny tsy fizarazarana sy ny tsy fitsinjarana dia voalaza eto. DH: "fa tsy voazara ho an'ireo taranany ihany izany" na "fa tsy voatsinjara ho an'ireo taranany ihany izany" # ny fanjakany dia ho fongotra ho an'ny hafa ankoatra ireo taranany Ny fanjakana dia lazaina ho toy ny hoe nambolena ka nisy olona namotika azy tamin'ny alalan'ny famongorana izany. DH: "hisy hery hafa hamongotra sy hamotika ny fanjakany ary hisy hafa izay tsy taranany hitondra eo amin'izany."