plt_tn/dan/09/15.md

1.1 KiB

tamin'ny tanana mahery

Eto ny hoe "tanana mahery" dia sarin-teny ho an'ny tanjaka. DH: "amin-tanjaka lehibe"

efa nanao anarana fanta-daza ho an'ny tenanao Ianao, toy izao andro anio izao

"nahatonga ny olona hahalala ny halebiazanao Ianao, toy ny ataonao androany"

mbola nanota ihany izahay; efa nanao ireo zava-dratsy izahay

Ireo fehezanteny ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary miaraka ampiasaina mba hampisongadinana ny haratsian'ny ota.

nanota ihany izahay; efa nanao ireo zava-dratsy

I Daniela sy Israely no nanota ary nanao zava-dratsy, fa tsy tafiditra ao anatin'ny hoe "izahay" Andriamanitra.

ny hatezeranao sy ny fahaviniranao

Ny teny hoe "fatezerana" sy "fahavinirana" dia midika zavatra mitovy ary mampisongadina fa mahatsiravina ny fahatezeran'Andriamanitra rehefa mihetsika amin'izany Izy.

ilay tendrombohitrao masina

Io tendrombohitra io dia mety hoe masina satria ao ny tempolin'Andriamanitra. DH: "ny tendrombohitra izay mlisy ny tempolinao masina"

ireo fahotanay... ireo razambenay

Eto ny hoe "-nay" dia ilazana an'Israely sy Daniela, fa an'Andriamanitra.

antom-pahafam-baraka

"anton'ny tsy fanajana"