plt_tn/dan/07/11.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mitohy manoritsoritra ny fahitany ny fitsarana any an-danitra i Daniela sy ny valin-teny tamin'ny biby fahefatra izay hita ao amin'ny 7:6.

novonoina ilay biby... mba ho dorana

DH: "Namono ilay biby fahefatra izy ireo, namotika ny vatany, ary nanome izany ho an'olona mba ho dorana."

novonoina ilay biby

Novonoina ilay biby satria nanapa-kevitra ny mpitsara fa meloka izy. DH: "nanameloka ilay biby izy ireo" na "nandidy ny mpitsara ka namono ilay biby izy ireo"

ilay biby

Ilazana ny biby fahefatra izay manan-tandroka folo sy ny tandroka izay voalaza ho mpirehareha izany. DH: "ilay biby nampihorohoro indrindra" na "ilay biby izay nanan-tandroka mirehareha"

ny sisa tamin'ireo biby efatra

Mety hazava kokoa ny filazana hoe "ny biby telo hafa"

nalàna ny fahefan'izy ireo hanapaka

DH: "nalàn'ny mpitsara ny fahefan'izy ireo hanapaka" na "tapitra ny fahefan'izy ireo hanapaka"

nalavaina ny fehim-potoana hiainan'izy ireo

DH: "nitohy niaina nandritry ny vanim-potoana izy ireo" na "navelan'ny mpitsara hiaina fotoana fohy izy ireo"