# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mitohy manoritsoritra ny fahitany ny fitsarana any an-danitra i Daniela sy ny valin-teny tamin'ny biby fahefatra izay hita ao amin'ny 7:6. # novonoina ilay biby... mba ho dorana DH: "Namono ilay biby fahefatra izy ireo, namotika ny vatany, ary nanome izany ho an'olona mba ho dorana." # novonoina ilay biby Novonoina ilay biby satria nanapa-kevitra ny mpitsara fa meloka izy. DH: "nanameloka ilay biby izy ireo" na "nandidy ny mpitsara ka namono ilay biby izy ireo" # ilay biby Ilazana ny biby fahefatra izay manan-tandroka folo sy ny tandroka izay voalaza ho mpirehareha izany. DH: "ilay biby nampihorohoro indrindra" na "ilay biby izay nanan-tandroka mirehareha" # ny sisa tamin'ireo biby efatra Mety hazava kokoa ny filazana hoe "ny biby telo hafa" # nalàna ny fahefan'izy ireo hanapaka DH: "nalàn'ny mpitsara ny fahefan'izy ireo hanapaka" na "tapitra ny fahefan'izy ireo hanapaka" # nalavaina ny fehim-potoana hiainan'izy ireo DH: "nitohy niaina nandritry ny vanim-potoana izy ireo" na "navelan'ny mpitsara hiaina fotoana fohy izy ireo"